TETIKASA

Ny tetikasanay
7
1
5
Mamolavola fiaraha-miasa ho an’ny akany
3
4
6
2
8
9
Isan-taona, ny akany dia maniry ny hamolavola amin'ny alalan'ny tetikasa maro mikendry ny hahatonga ity toerana ity ho akany azo antoka sy mahatehonina, hanome fiofanana amin'ny fahaiza-manao vaovao sy ny fizarana ny soatoavina iombonana sarobidy ho an'ny akany. Miaraka amin'ny famatsiam-bola ilaina, ny akany ihany koa dia mikendry ny hizaka tena bebe kokoa amin'ny fikarakarana ny ankizy beazina.
Manampy amin'ny fanohanana ny fanomezana sy ny fanampiana;
Manamboatra ny fotodrafitr'asa izay misy fahasimbana
Tena mila fanamboarana ny trano noho ny fahaterany.
Manangana "infirmerie" ho fandraisana an-tanana sy ho fanaraha-masa ny fahasalaman'ny ankizy beazina
Mba hampihenana ny fandaniana rehefa maratra na marary ny ankizivavy iray
Manampy aram-pitaovana ny trano fianarana informatika
Manofana ny tovovavy amin'ny asa nomerika sy fikirakirana ny "Internet"
Mamboatra fotodrafitr'asa ho fiarovana raha misy loza
Indrindra amin’ny alalan’ny famoronana fivoahana vonjy maika raha sendra misy hain-trano sy ny fitovana ilaina amin'ny famonoana afo
Manavao sy manampy ny fitaovana
toy ny fitaovana sy fanaka ho an'ny lakozia, trano fatoriana, trano fisakafoanana ary birao
Manitatra ny asa mampidi-bola ho fizakan-tenan'ny akany
Mba hahaleo tena bebe kokoa amin'ny famahanana ireo tovovavy ao amin'ny akany
Mampiofana ny mpiasa
Mba hahafahan'ny ekipa mahafehy ny toe-javatra rehetra sy mampianatra fahaiza-manao bebe kokoa ho an'ny ankizy beazina.
Manangana trano fandraisam-bahiny ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo
Hapetraka ao amin’ny akany ireo mpilatsaka an-tsitrapo vahiny ary hanana toerana azo antoka ho azy manokana