Ny tantaran'ny Akany
Ny taona 1963 no nananganana ny Akany Avoko Faravohitra tamin'ny alalan'ny ny fandraisana andraikitra nataon’ny misionera roa avy ao amin’ny FAFFIP (Centre Charity de l’Eglise Protestante), Sophie VAN WELLY avy any Holandy ary Elisabeth DOLDER avy any Soisa rehefa nahatsikaritra fa maro ireo ankizy tsy afaka mamelona ny tenany intsony taorian’ny krizy nateraky ny tondra-drano namely an'i Madagasikara tamin'ny taona 1958, nangalatra ny ankizy noho izany ary nigadra tany amin'ny fonjan'ny olon-dehibe.
Ny Akany dia natao hiarovana sy hiantohana ny zon’ny ankizy araka ny lalàna 62-038 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona. Noho ny fahatsapan'izy ireo ny fisian'io olana io dia ny fanagadrana ny ankizy tsy ampy taona any amin'ny fonjan'ny olon-dehibe io, dia nifandray tamin’ny fiangonana protestanta izy roa vavy, izay nanome azy ireo trano handraisana ireo zaza tsy ampy taona ka niara-niasa tamin’ny Fanjakana tamin'ny alalan'ny mpitsara ny zaza tsy ampy taona izay mamoaka ny didy ho fametrahana ny zaza teto anivon'ny Akany.
Ity Akany ity, na dia eo ambany fiahian’ny Fiangonana Protestanta aza, dia mandray ireo ankizivavy tsy ampy taona rehetra fa tsy manavaka na finoana, na fihaviana na ny saranga. Avy amin’ny fokontany marefo eto Analamanga ny ankabeazan'ny ankizy raisin'ny Akany antanana anefa mandray ireo ankizy avy any amin'ny faritra ihany koa ny akany. Eo anelanelan’ny 7 ka hatramin’ny 17 taona ny ankamaroan’ireo tovovavy apetraka ato amin’ity Akany Avoko Faravohitra ity.
Fiofanana
Mba hanampiana ireo tovovavy hahita asa sy hiditra amin'ny sehatry ny asa, dia mifandimby isan-kerinandro ny ekipan'ny mpanabe mizara sy mampita ny fahaizany ary mampianatra ny ankizy. Amin'ny ankapobeny, mianatra mahandro, manjaitra na manao asa tanana ny ankizivavy, indrindra amin'ny rafia.
Teo aloha dia ny sekolim-panjakana ihany no afaka nandefasan’ny Akany ny ankizy beazina sasany mba hanohy ny fianarany noho ny tsy fananana loharanom-bola hoentina manatanteraka izany, anefa nohon'ny fivoaran'ny fifandraisan'ny akany amin'ireo olona tsara sitrapo sy fikambanana mpanao asa soa samy hafa dia afaka mandefa ny ankizy mianatra amin'ny sekolim-pinoana samy hafa mba hamita ny fianarany ny Akany. Tsy ny ankizy rehetra anefa no misitraka izany fa izay zakan'ny fahefan'ny Akany ihany.
Ny sandan'ny fandefasana zazavavy an-tsekoly mandritra ny herintaona dia 90 euro (405 000 ariary) ka hatramin'ny 120 euros (540 000 ariary) izay miovaova araka ny tahan'ny fifanakalozana.
Ny fanohanana tovovavy iray amin'ny fandefasana azy an-tsekoly dia midika fa manome azy fahafahana hianatra mba hahanany ho avy mamiratra.
Mpilatsaka an-tsitrapo
Ny fikambanana Akany Avoko Faravohitra dia miara-miasa amin'ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ireo fikambanana vahiny toan' ny Globalong. Io fifandraisana io dia ahafahan'ireo vahiny mpilatsaka an-tsitrapo ho avy sy hanao iraka an-tsitrapo amin'ny asa sosialy eto anivon'ny akany.
Satria maro ny filan'ny akany sy ny tovovavy beazinyè dia mety miovaova ny iraka. Ity misy ohatra iray amin'ny fanampiana andrasana amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo:
- Fanarenana sy fikojakojana ny trano;
- Fanohanana ara-moraly sy ara-pihetseham-po ho an'ny zazavavy amin'ny fanampiana ny mpanabe amin'ny fandraisana an-tanana azy ireo;
- Mampianatra ny ankizy beazina ny teny frantsay sy fahaizana hafa toy ny Iinformatika;
- Fanampiana amin'ny fahitana ny fikambanana amin'ny tambajotra sosialy.