top of page
IMG_6352.HEIC

"Fampidirana mavitrika sy fahafahana mitovy ho an'ny tontolo tsara kokoa"

Iza moa isika?

Akany Avoko Faravohitra FFPM dia Akany mandray an-tanana ankizy vavy tsy ampy taona manana olana eny anivon'ny Fiaraha-monina (manana olana amin'ny lalàna na iharan'ny herisetra eo anivon'ny fianakaviana na eo anivon'ny fiarahamonina na zaza very). Naorin'ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara) tamin’ny taona 1963 sy ny minisiteran’ny Fitsarana, eto Antananarivo Renivohitra

Ny tanjon'ity Akany fandraisana an-tanana ankizivavy tsy ampy taona ity dia ny hanampy azy ireo ho tompon'andraikitra sy ho olom-pirenena vanona, hiofana amin'ny asa iray ary hampivelatra fahaiza-manao isan-karazany miaraka fanampiana azy hahatratra ny tanjona iriany amin'ny fiverenany eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina. Noho ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola dia nikatona ny Akany ny volana aprily 2015 ka ny volana martsa 2016 vao afaka nisokatra indray ny foibe noho ny fanomezana sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpilatsaka an-tsitrapo maro samy hafa.

Ireo tarehimarika manan-danja ho an'ny 2023

78

Noraisina tsara tao amin’ny foibe ny tovovavy

12

Ny ankizy nianatra an-tsekoly

25

Ny ankizy niofana arak'asa

12

ny mpiasa mba hanabe sy hanoro ny tovovavy

5

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo vahiny dia nandray anjara tamin'ny fahasalaman'ny tovovavy

Ny fanomezana rehetra atolotrao dia manampy ny Akany amin'ny lafiny maro

Tena tsy ampy ny famatsiam-bolan'ny Akany, ary ny AGR misy ankehitriny dia tsy mbola mampidi-bola ampy ho an'ny fizaka-tenan'ny Akany, noho izany dia miantehatra  amin’ny fanomezana samihafa azo avy amin’ny olon-tsotra sy ny fikambanana mpiara-miombon’antoka ny Akany mba ahafahany mandefa ny ankizy any an-tsekoly, mividy ny fitaovam-pianarana, ny sakafo ary ny kojakoja maro samy hafa ilaina amin'ny fahadiovana sy fiofanan'ny ankizy ary ny fikojakojana ny fotodrafitr'asa ato amin'ny Akany. Noho izany, ny Akany dia mandray ny fanomezana samy hafa izay atolotrao toy ny  fitaovana informatika na fitaovam-pianarana, fitafiana ary fanomezana ara-bola mba hanohizana ny asa. 

Ny ankizivavy sasany niaraka tamin'i Billy, alika mpiambina ny foibe

Tamin'ny taona 2022, nisedra olana maro ny Akany toy ny:

  • Tsy fahampian'ny fotodrafitr'asa toy ny efitrano iofanan'ny ankizy

  • tsy fahampian'ny fitaovana sy akora ho an'ny fiofanana sy ny hetsika maro samy hafa mifandraika amin'ny fanabeazana ny ankizy

  • tsy fahampian'ny enti-manana ho fikarakarana ny ankizy sy ny fahasalamany ary fanafody​​

  • tsy fahampian'ny fotodrafitrasa sy mpiasa mahay mahay mandray an-tanana ireo zazakely

  • fahan-teran'ny fotodrafitr'asa

  • famatsiam-bola tsy ampy;

3 soatoavina ampitaina amin'ny tovovavy

FIADANANA

Laharam-pahamehana ho an’ny ekipa mpitantana ny Akany ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana eto anivon'ny Akany ka miezaka izahay ny mba tsy hisian'ny fifandirana eo anivon'ny ankizy beazina sy ny mpanabe ary ny mpitantana ary mampianatra ny ankizy mba hitondra tena tsara sy hifehy ny fihetsika sy ny fihetsehampon'izy ireo.

FITIAVANA

Ny hatsaram-panahy no ivon'ny soatoavina zaraina amin'ny ankizy vavy beazina, indrindra amin'ny fanomezana fitiavana azy ireo, amin'ny fampianarana azy ireo ho tia ny tenany (estime de soi)  sy hahatsapa ho tiana. 

FANDEFERANA

 Ny ekipan'ny fanabeazana ato amin'ny Akany dia mampianatra ny ankizy beazina hanaiky ny tsy fitoviana mba hiaina am-pilaminana eo amin'ny fiaraha-monina sy hanajana ny hafa.

Mametraha hafatra ho anay

Votre message a été envoyé !

Contact

Lot II J 9 Faravohitra ambony,

33 Bis rue Joel Rakotomalala, Antananarivo 101

+261 34 94 587 49

Akany Avoko Faravohitra FFPM

© 2023 by Akany Avoko Faravohitra FFPM. Noforonina tamin'ny Wix.com

bottom of page